Ny fanahy

Ho an’ny Malagasy ny fanahy dia lafin javatra maro maha olona ny olona[AH1] . Ao ny fomba fitenenana hoe : « Ny fanahy no olona ». Ny fananana fanahy dia fananana saina mieritreritra,  fahendrena.

Ny fananana fanahy 7 dia toetra tena mahay mandefitra, miara mifaly ary miara malahelo @izay malahelo.

Zaza 7 – Fanahy 7 : tsy ny hamaroan’ny zaza no mety hitana ny mpivady tsy hisaraka => tokantrano tsy ho voafehy ?, fa ny toetra aman-panahy tsara[AH2] .

Raha jerena ny vokatry ny fanahy araka ny Baiboly :

Galatiana 5.22,23 : «  ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia : Fitiavana, hafaliana, Fiadanana, faharetana, Hamorampo, hatsarampo, Toetra mahatoky, Fahalemempanahy, Fahononampo. Tsy misy lalana manohitra ny toy izany »[AH3] 

 

Raha eo amin'ny fiainana kristiana indray dia azo antsoina hoe ny fanahy masina io fanahy fito voalaza eto @ ity ohabolana ity  izay azo hazavaina toy izao :

1) : Hery anaty avy amin' Andriamanitra manampy ny olombelona ka mahatonga azy hahavita zavatra mahagaga araka ny finoana kristiana = " Le Saint Esprit "

2) : Ny fanahy no manavaka ny olona @ biby = " un esprit"

3): Ny fanahy no maha olombelona ny olombelona, ary izany no " personnalité  " izay maharitra mandrakizay. Izay ho toetrany any an- koatra dia miankina amin'ny firaisany amin' Andriamanitra, na ny fandavany Azy ankehitriny.

( nangonina tao @ dictionnaire de la bible nosoratan'i Henri Randzavola sy W Évans)..

 

Na dia ny fahabetsahana aza no heverina mety hanampy sy ho antoka / toky satria tsy miady irery (hevitry ny maro mahataka dzavatra…) (zaza 7 ≠fanahy7)

Fanahy fito no tezainy raha misafidy ny hiteraka zaza fito ny mpivady, adidy sy andraikitra lehibe @ ny fanabeazana.[AH4] 

 

Tao amin'ny boky "L'Église face aux défis pastoraux pour la famille à Madagascar" 

De Bruno Nicolas Raheritiana

 

"Zaza fito... Fanahy fito no mahafehy trano": un proverbe qui décrit la pratique à un moment donné, ou  le reflet d'une situation de fait à défaut  de l'idéal. 

 

Fanahy 7 nadika hoe "7 âmes". 

 

Nalaina tamin'ny boky "Le Livre de la sagesse malgache, proverbes, dictons, sentences, expressions figurées et curieuses, Couverture

Paul de Veyrières, Guy de Méritens. 

 

NY fanahy 7 dia nadika hoe sept qualité d'esprits et de caractère. [AH5] 

 Nomena lanja  eto amin'ity ohabolana malagasy ity izany ny fanahy izay nolazainy fa mahafehy ny trano.

Azontsika hazavaina toy izao izany ny fanahy raha halalinina :

1 ) :  hery anaty entina mandanjalanja sy misafidy eo @ fiainana.

2) : toetra anaty itondrana ny fiainana ( ohatra : tsara fanahy i Neny )  = caractère

3) : fanahy fito = toetra  tsara mahay mandefitra, miara - mifaly @ izay mifaly ary miara- malahelo  @ izay malahelo.

( * nangonina tao  @ rakibolana malagasy ireo )

Mazava tsara izany fa talohan'ny nidiran'ny Fivavahana kristiana tao Madagasikara dia efa nanana finoana an' Andriamanitra sahady ny Malagasy. Ity ohabolana ity no anisan ' ny hanambarany izany eny fa na dia mbola nanjavozavo aza ny natanterahany izany teo @ fiainany.

Tsapany fa misy ny fanahy matoa izy manambara fa ny fanahy fito no mahafehy ny trano fa tsy ny zaza fito ! Entiny hitarihana ny Malagasy hanana ny fahatahorana an ' Andriamanitra ka hametrahana Azy ho loha- lalana eo @ fiainan- tokantrano sy handraisana ilay fahafenoana dia i Jesosy Kristy !

 


 [AH1]FANAHY

 [AH2]FANAHY

 [AH3]FANAHY p/r BAIBOLY

 [AH4]FANAHY

 [AH5]FANAHY