Ny zaza 

Indreto misy fomba fiteny mikasika ny zaza :

-    

-          Zaza diso hanta, tsy menatra ny hamingavinga


-          Zaza nanapa damosina, notrotroina nahafolatsandry, nefa henamaso aza tsy nozarainy.

-          Zaza taizan drenibe : voky hanina fa votsa saina.

-          Zaza hova tsy enin’arahaba, ka mahatsiaro ny asa natao

-   

-          Zaza nomena ontsy ka dia mitelina

-          Zaza nomen tanan’ondry ka na soloana hofany aza tsy mety[AH1] 

Ny fahitana ny zaza dia olona mbola kely, mbola tsy manana fahalalana.

Sarobidy ny zaza satria zanaka, menaky ny aina, sarobidy tokoa. Ary ny zaza dia teraka anaty tokantrano izany hoe manana ray sy manana reny.

Raha azo fintinina dia ny toetry ny zaza dia mitoky @ ray aman dreny, miakina tanteraka amin’izy ireo.

 Ao @ soratra masina dia ahitana ireto teny ireto momba ny zaza :

Araka ny hita ao @ Marka 10.14 ; Lioka 18.16

« nefa tezitra Jesoa, raha nahita izany, ka hoy izy taminy : avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana ; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra »

« fa Jesoa niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe : Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana ; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra »

 

Sy ao @ Matio 19.14

« nefa Jesoa kosa nanao hoe : Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy ; fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra »[AH2] 

 

Hira 248 Nitondra ny zaza / Hira 252 Mba avelao ny zaza / Hira 773 ianao, ry Jehovah no / Hira 783 he maharavoravo.

 


 [AH1]ZAZA

 [AH2]ZAZA