Fihirana FFPM faha 24 Ny lanitra ao ambony ao https://youtu.be/DKsSnukgBTo 24 – Ny lanitra ao ambony ao August 15th, 2009 rindra 1. Ny lanitra ao ambony ao, :,: Andriamanitra ô! :,: Izay rehetra vitanao Dia mahagaga anay. (in-3) 2. Ny volana aman-kintana, :,: Ny masoandro koa :,: Ny tany aman-danitra. Mitory avokoa. (in-3) 3. Ny andro aman’alina :,: Milaza aminay :,: Fa hendry Andriamanitra, Jehovah Tomponay. 4. Ny tenanay, fanahy koa, :,: Dia avy taminao, :,: Ka mampiseho tsara koa Ny voninahitrao. (in-3) 5. Izay rehetra vitanao :,: Aty sy any koa :,: Miara-mankalaza Anao, Fa Tompony tokoa. (in-3)