https://www.youtube.com/watch?v=hlN6r1HveVE 452 – Tompo ô! Ovay ny foko July 17th, 2009tojo 1. Tompo ô! Ovay ny foko Mba ho mora anarina Toy ny an’ny zazakely Tsotra sady marina, :,: Tsy mialona, tsy maditra, Fa manao ny sitrakao. :,: 2. Zaza, ka tsy te-hifidy Izay homenao ahy anio, Ny ho azoko ampitso Dia ankinina aminao; :,: Koa tsy manahy aho, Fa efa niantohanao. :,: 3. Zaza, tsy maharo tena, Fa miankina amin-dray. Tsy mahery, tsy mba hendry, Ary tsy mahay mandeha; :,: Hianao no Raiko tia, Raiko be fahari-po. :,: Categories: 7.05 - Ny fiovam-po - ny fiainam-baovao