FFPM 725 – Alina ny andro 1. Alina ny andro, Ka efa mba hatory Ny masonay; Hianao, Jehovah ô! ‘Zay tsy mety sasatra, :,: No aronay.:,: 2. Lasa ny mazava, Ka ny masoandro Tsy hitanay: Tsy matahotra izahay, Hianao an-danitra :,:Mahita anay.:,: 3. Fa ny kintana eny, Efa manazava Ny dianay; Koa tsy nafoinao, Fa nasehonao ireo :,:Ho tokinay.:,: 4. Alina sy andro Samy mba manaiky Ny tendrinao; Tonga re nY maizina, Nefa: tsy ilaozanao :,:Ny olonao.:.: 5. Eto ny mazava Dia manam-petra; Fa ao aminao; Tsy mba misy alina, Fa mamirapiratra :,’:Ny tavanao.:,: =================================================== Fihirana FFPM 725 (Alina ny andro) feony : http://www.hymnary.org/media/fetch/189787 Solfège (Notes): http://www.hymnary.org/text/alina_ny_andro http://www.hymnary.org/media/fetch/189786 source site web : http://www.hymnary.org/tune/alina_ny_andro =====================================================