813 – Tia zaza tonony : http://fihirana.org/ffpm/ny-hiranny-ankizy/813-tia-zaza Partition : http://hymnary.org/text/tia_zaza feony : http://hymnary.org/media/fetch/187148 1. Tia zaza, Tia zaza, Ny Jesosinay! Lanitra nafoiny, Zaza notrotroiny Tia zaza, Tia zaza Ny Jesosinay. 2.Trano tsara, Tany tsara Namboariny, Trano be anjely, Ho anay izay kely, Trano tsara, Tany tsara Namboariny. 3. Voankazo, Voninkazo, Tsara fofona, Tsy halazo intsony Ao Edena ambony Voankazo, Voninkazo, Tsara fofona. 4. Zazakely Sy anjely, Samy sambatra; Hira no hirainy Ao an-tranon-dRainy. Zazakely, Sy anjely, Samy sambatra. 5. Seza tsara, Lamba tsara, Ho antsika ao; Hiakanjo lava Fotsy lalandava. Seza tsara, Lamba tsara, Ho antsika ao. 6. Ento mora, Ento mody, Jeso, izahay, Ho an-tranon-dRainao, Fa ao no tranonay Ento mora, Ento mody, Jeso, izahay.