SALAMO faha 136 :1-9 PSAUME 136 :1-9 1 [Fankalazana an'Andriamanitra noho ny nanaovany izao rehetra izao sy ny nanavotany ny olony] Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony. 2 Midera an'Andriamanitra Avo Indrindra*; Fa mandrakizay ny famindram-pony.[Heb. Andriamanitry ny andriamanitra] 3 Miderà ny Tompon'ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony; * 4 Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 5 Izay nanao ny lanitra tamin'ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 6 Izay namelatra ny tany ho ambonin'ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 7 Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 8 Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 9 Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony),