Miarahaba anao amin'ny anaran'ny Jesoa Kristy Tompo ny Vaomiera ny Fampianarana ny Teny Malagasy (VFTM).
"FANTATSIKA VE ? " : Izany no anaran'ny LALAO fanabeazana fampianarana teny malagasy novolavolain'ny VFTM ho an'ny rehetra (olon-tsotra, mpiandraikitra, sampana)
Misy lafiny roa ny lalao:
1- Lafiny "FANANGONANA fanontaniana (sy ny valiny)" izay iantsoana sy anentanana ny mpiara-miangona rehetra (na kely na lehibe, na tsirairay na vondron'olona ) eto @ ny FPMA Bordeaux mba handray anjara @ alalan'ny rohy "Lalao "FANTASIKA VE?" : Tsindrio eto
2- Lafiny "FANENTANANA": Mandritra ireo hetsiky ny fitandremana FPMA Bordeaux sy ny EMB dia hikarakara fifaninanana lalao "FANTATSIKA ve ?" ny VFTM. Ny fanontaniana dia sintonina antsapaka avy ao @ ireo fanontaniana maro voangona tao @ ny lafiny voalohany.
Aza misalasala manatona ny mpiandraikitra raha misy fanontaniana manitikitika antsika mikasika ny lalao.
Ny VFTM
Antsa RANAIVOSOA
Tel: 07.61.28.41.55