RY RAINAY BE FAMINDRAM-PO  Ô  , MITALAHO AMINAO IZAHAY ;
MAMELÀ NY HELOKAY ;DIOVY IZAHAY HO AFA-PAHOTANA ; SASAO
IZAHAY HO AFA-KELOKA ; ARY HAVAOZY NY FANAHINAY MBA HO
VONON-KANOMPO ANAO. NY
FITIAVAN’I JESOSY KRISTY ZANAKAO MPAMONJY ANAY NO
ANGATAHANAY AMINAO". AMENA 


MITALAHO  ? : mangataka mafy, (talaho) (hataka, vavaka) (hoy  ny rakibolana  )  (ao amin’ny  baiboly:

MAMELÀ ? : mamela,(vela) mahazo manao,/ mamindra fo   (hoy  ny rakibolana  ) (ao amin’ny  baiboly: Salamo 25 : 11 Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany. / Salamo 25 : 18 Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.
DIOVY  ?: manadio ( dio), </> loto, maloto    (hoy  ny rakibolana  )  (ao amin’ny  baiboly:  Salamo 51 : 2 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.  /  Matio 23 : 26 Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony. / Jakoba 4 : 8 Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.
  

SASAO ? : manasa (sasa) (hoy  ny rakibolana  )   (ao amin’ny  baiboly: Nomery 31 : 24 Ary sasao ny fitafianareo amin'ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany,  / dia mahazo miditra eo amin'ny toby ianareo. /  Jaona 9 : 11 Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra.

HAVAOZY ?: vao, vaovao, manavao  (hoy  ny rakibolana  ) (ao amin’ny  baiboly:  Salamo 51 : 10 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. /Fitomaniana 5 : 21 Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.