LOABARY ANDASY 2022

VFTM BORDEAUX


LOHAHEVITRA : « Zaza fito tsy mahafehy trano, fa fanahy fito no mahafehy trano » mbola miteny amintsika ve io ohabolana io ankehitriny ? »

-         

-           …..

Misy koa ilay ohabolana mitovitovy aminy hita ao amin’ny boky nosoratan’i Estine RINARA SOA natontan’ny LIBRAIRIE MIXTE manao hoe :

« Zaza fito tsy mahafehy trano, ny toetra soa maharimonina »

Ny zaza :

-          Zaza be lelo ka samy manindrahindra ny azy

-          Zaza diso hanta, tsy menatra ny hamingavinga

-          Zaza be loha : omen tehina vao mitsongoloka

-          Zaza nanapa damosina, notrotroina nahafolatsandry, nefa henamaso aza tsy nozarainy.

-          Zaza taizan drenibe : voky hanina fa votsa saina.

Ø  Zaza hova tsy enin’arahaba, ka mahatsiaro ny asa natao

Ø  Zaza niara nilalao izahay, antitra niara nitanina andro, ka izay nalehany hitako avokoa.

Ø  Zaza nilaozantsakaiza, ka sady milalao vovoka irery no tsy misy mpiara mitomany

Ø  Zaza nomena ontsy ka dia mitelina

Ø  Zaza nomen tanan’ondry ka na soloana hofany aza tsy mety