LOABARY ANDASY 2022
VFTM BORDEAUX
LOHAHEVITRA : « Zaza fito tsy mahafehy trano, fa fanahy fito no mahafehy trano » mbola miteny amintsika ve io ohabolana io ankehitriny ? »
-
- …..
Misy koa ilay ohabolana mitovitovy aminy hita ao amin’ny boky nosoratan’i Estine RINARA SOA natontan’ny LIBRAIRIE MIXTE manao hoe :
« Zaza fito tsy mahafehy trano, ny toetra soa maharimonina »
Ny zaza :
- Zaza be lelo ka samy manindrahindra ny azy
- Zaza diso hanta, tsy menatra ny hamingavinga
- Zaza be loha : omen tehina vao mitsongoloka
- Zaza nanapa damosina, notrotroina nahafolatsandry, nefa henamaso aza tsy nozarainy.
- Zaza taizan drenibe : voky hanina fa votsa saina.
Ø Zaza hova tsy enin’arahaba, ka mahatsiaro ny asa natao
Ø Zaza niara nilalao izahay, antitra niara nitanina andro, ka izay nalehany hitako avokoa.
Ø Zaza nilaozantsakaiza, ka sady milalao vovoka irery no tsy misy mpiara mitomany
Ø Zaza nomena ontsy ka dia mitelina
Ø Zaza nomen tanan’ondry ka na soloana hofany aza tsy mety