Miarahaba anareo mpiandraikitra ny Sampana.


Indro mipaingotra (ALAINA ETO NY PDF AZA FADY)) ny tari-dàlana  ho fanomanana ny atrikasa volohany izay hatao ny Asabotsy 24/02  (indrindra ho an'ny ny SA, STK ary TILY mitaizay ny ankizy). Lohateny: NY AINA (andinidiny : Tari-dàlana fanatanterahana ny atrikasa VFTM ny asabotsy 24/02 : Ny fichier PDF TARI-DALANA-ho-an-ny-mpikarakara-ny-ATRIKASA-NY-AINA-24022024.pdf )


Mialoha an'izay anefa dia miangav y antsika mba hamaky miadana sy hanaraka ireto fanazavana manaraka ireto, izay efa nolazaina anareo Sampana ihany tamin'ny alahady 04/02 teo izy ity :


1Indray isam-bolana ihany sisa no manao "activité" ny VFTM manomboka izao. (24/02; 23/03; 27/04; 25/05 ary 15/06)

2- Noho izany dia eo anivon'ny Sampana sy any an-tokatrano (miaraka amin'ny ray aman-dreny) no fanomanana ny atrikasa. Ary manana 1 volana ianareo hanomanana azy noho izany. 

3- Malalaka ny fanatanterahanareo ny fanomanana. Ny tari-dàlana dia natao hanampy anareo amin'ny fampianarana sy fanaraha-maso ny ankizy.

4- Ny mpiandraikitra VFTM dia hanampy ny Sampana sy ny ankizy sy ny RAD amin'ny fandrosoan'ny ankizy tsirairay. Hisy "référent" VFTM araka izany.

5- Ny Sampana SAFIF, AM, SVK ary SLK dia manampy amin'ny fanatontosana ny atrikasa IRAY avy (misy atrikasa 4 mandra-pahatonga ny volana Jona). Izany hoe mitazona andraikitra mandritra ny atrikasa Asabotsy voatondro ianareo. 

6- Ny Asabotsy 15 Jona "FAMPIRATIANA" dia hapiseho ireo zavatra voarainy sy nataony tao anatin'ny efa-bolana ny isan'ankizy. Amin'ny fomba isan-karazany no hanaovana izany.


Ny ray aman-dreny rehetra dia zaraina ny tari-dàlana isam'bolana ihany koa.

Raha misy fanontaniana dia aza misalasala mizara sy manatona ny mpiandraikitra VFTM.


Misaotra anareo amin'ny fiaraha-miasa ary manonona ny fiadanan'ny Tompo amintsika.


Ny mpiandraikitra  ny VFTM eto amin'ny Tafo.