Vavaka



vavaka atao mandritry ny fanompoam-pivavahana

Faly miarahaba ry havana,

indro ny votoatin'ny vavaka araka ny fangatahantsika. Aoka mba ho zaraina amin'ny mpikambana misy anareo avy izany azafady.

Mahereza daholo amin'ny asa fitoriana ny filazantsara!



-------------------

Pasteur RAMAHERIJAONA Jean Teddy

Bordeaux

NY VOTOATIN’NY VAVAKA



Vavaka nampianarin'ny Tompo (Matio 6. 9-13)

Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao. Ny ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelà ny helokay. Tahaka ny namelany izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena.

 

...................................................................................................................................................................…



FANEKEMPINOANA : alaina eto NY PDF misy iireo fanekena 7




Fanekem-pinoana voalohany

Mino an’ Andriamanitra Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany aho. Ary mino an’ i Jesoa Kristy Zananilahy Tokana Tompontsika, izay notorontoronina tamin’ ny Fanahy Masina. Naterak’ i Maria Virjiny. Nijaly raha nanapaka i Pontio Pilato. Nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana. Maty ka nalevina. Nidina tany amin‘ny fiainan-tsy hita. Nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo. Niakatra ho any an- danitra. Mipetraka eo an- kavanan’ Andriamanitra Ry Tsitoha. Avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty. Mino ny Fanahy Masina aho. Ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao. Ny fiombonan’ny olona masina. Ny famelan-keloka. Ny fitsanganan ‘ny tena amin’ny maty. Ary ny fiainana mandrakizay. Amena.

 ......................................................................................................................................................................

Fanekem-pinoana faharoa

Isika mino an’ Andriamanitra Iray, Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany, ary ny zavatra rehetra na hita na tsy hita. Ary an’ i Jesoa Kristy Tompo Iray, Zananilahy Tokan’Andriamanitra, nateraky ny Rainy talohan’ izao rehetra izao, ny Mazava avy amin’ny Mazava. Andriamanitra tokoa avy amin’Andriamanitra, nateraka fa tsy natao, miray amin’ny Ray ny zavatra rehatra: Izy no nahariana izao tontolo izao. Noho ny amintsika olombelona sady ho famonjena antsika dia nidina avy tany an-danitra Izy, ary nataon’ny Fanahy Masina nofo avy tamin’ i Maria Virijiny, dia tonga olona Izy. Nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana ho fanavotana antsika tamin’ny nanapahan’ i Potio Pilato Izy. Nijaly Izy ka nalevina. Nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo araka izay voasoratra Izy. Niakatra ho any an-danitra Izy, ary mipetraka eo an-tanana ankavanan’ny Ray. Avy any no hiaviany, indray amin’ny voninahitra hitsara ny velona sy ny maty, ary mandrakizay ny fanjakany.
Isika mino ny Fanahy Masina, Tompo sady mpanome aina, Izay avy amin’ny Ray sy ny Zanaka ka itsaohana sy ankalazaina miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka. Izy dia niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany.
Isika mino ny Fiangonana iray, miorina amin’ny fanambaran’ny Apostoly ary manerana izao tontolo izao.
Isika manaiky ny batisa iray ho famelan-keloka sady manantena ny fitsanganan’ny maty ary ny fiainana mandrakizay. Amena.

 ......................................................................................................................................................................

Fanekem-pinoana fahatelo

Mino an’ Andriamanitra Tsitoha aho, Izay Mpanao ny lanitra sy ny tany, Andriamanitra dia fanahy. Andriamanitra dia fitiavana. Andriamanitra dia matanjaka hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Andriamanitra dia mampiseho ny fitiavany antsika. Fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika i Kristy. Mino an’i Jesoa Kristy, Zananilahy Tokana, Tompontsika aho. Tonga Izy hitady sy hamonjy ny very. Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana. Izy dia tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay. Mino ny Fanahy Masina aho. Izy no manambara amin’ny fanahintsika. Fa zanak’ Andriamanitra isika. Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray. Ny fandresena izay enti-mandresy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
Tompo ô, ampitomboy ny finoanay Anao. Amena.

 ......................................................................................................................................................................

Fanekem-pinoana fahaefatra

Mananbara ny finoantsika an’ i Jesoa Kristy isika, dia araka ny tenin’ i Jaona Mpanao Batisa hoe : “ Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao” (Jao 1.29)
sy araka ny teny natoan’ i Andrea hoe : “Efa nahita ny Mesia izahay” (Jao 1.41)
sy araka ny teny nataon’ny Samaritana hoe : “Ny tenanay no nadre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao” (Jao 4.42).
sy araka ny teny nataon’ i Petera hoe : “Ianao no Kristy Zanak’ Andriamanitra velona” (Mat 16.16). “Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay” (Jao 6.68).
ary araka ny teny nataon’ i Tomasy hoe : “Tompoko sy Andriamanitro” (Jao 20.28).
Amena.

 ......................................................................................................................................................................

Vavaka fanetren-tena

Tompo ô, tsy mendrika hatao hoe zanakao aho !
Tompo ô, tsy mendrika ny hidiranao ao ambanin’ny tafontranoko aho !
Tompo ô, tsy mendrika ny hitsimpona izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny
latabatrao akory aho.
Kanefa hoy Ianao hoe : “Izay manatona Ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy”.
Amena.