FPMA BORDEAUX







Ny Mpamafy

FIARAHA-MIVAVAKA AO AMIN’NY FIANKAVIANA

FANDINIHINA BAIBOLY, FANDINIHINA LOHAHEVITRA

CELLULE DE PRIERE FAMILIALE (CdPF)

CELLULE DE PRIERE (CdP)

FANDINIHINA LOHA-HEVITRA (FLH)



(ALAINA ETO NY

TAHIRY
)



Confcall le mardi



20H00 depuis 27-10-2020 Cellule de prière familiale



07 56 75 39 31 na  0159423047



– 873182#

+++++++++++++++++++++++++++++++++++

Ny FILAZANTSARAn ’i

LIOKA

( Eto dia azontsika henoina ny boky

( Eto no azo iheinoana ny toko sy andininy @ ny LIOKA)

Azo hamakina ny toko sy andininy ao @ LIOKA)

+++++++++++++++++++++++++++++++++++











03-02-2026 [FMF] FIARAHA MIVAVAKY NY FIANGONANA VTF MARDI 03/02/2025 A 20H30
Faly miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo ny tenako.

Ny Soratra Masina izay hifampizarantsika dia ny Filazantsara araka an’
i Matio 16, 13 – 18.

13Ary rehefa tonga tany amin'ny faritanin'i Kaisaria-filipo Jesosy, dia
nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa ny
Zanak'olona?

 14Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany:
Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin'ny mpaminany.

15Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?

 16Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy,
Zanak'Andriamanitra velona.

 17Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona
Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay
any an-danitra.

18Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity
vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny
fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.

Fanontaniana :  Ary ianao kosa mba ahoana ?

1. Hoy i Jesoa, (and. 13b). « Ataon’ny olona ho iza moa ny
Zanak’olona ? Ary koa hoe : (and 15b) « Fa ianareo kosa manao Ahy ho
iza ? » raha hapetrak’i Jesoa aminao ary izany fanontaniana izany,
inona no havalinao Azy ? Inona no anarana mifanandrify amin’izay efa
nataony taminao tamin’ity volana ity ohatra ? Na tamin’ny fotoana
rehetra izay niainanao ?

2. Mila fitaovana (matériaux) isankarazany (kapila, biriky, vato, feta,
varavarana…) ny fananganana trano. Ary manana ny asany sy ny toerany
ilaina azy avy ireny amin’ny fananganana ny trano.. Isika mpino
tsirairay no « vato velona » mandrafitra ny Fiangonana. Ry « vato
velona ô », inona no toeranao na asa heverinao hahatanteraka ny vina
mampandroso  ny Fiangonana misy anao io ? Ambarao sy hazavao fohifohy
raha sitrakao.

Ny Fanahin’ny Fahazavana anie hiasa mahery ao anatintsika.

Josette


Fiaraha Mivavakin'ny Fiangonana isaky ny talata @ 20h
Confcall: 01 59 42 30 47

Code: 873 182 #

27-01-2026 FMF: la Sanctification à l'aube de la consécration des Responsables
Bonjour à tous,

Rendez-vous ce soir afin de méditer ensemble sur ce thème : la Sanctification à l'aube de la consécration des Responsables, avec l'apôtre Paul.

Nous discuterons ensemble sur ce qu'elle est, et n'est pas, ce qu'elle implique pour nous et notre église la FPMA Bordeaux.

Vous trouverez également un support visuel de la formation.
La-Sanctification (2).pdf


Que la Joie et la Paix du Christ soient avec vous.

Fanantenana

La lecture : 1 Thess 5, 11-23

20-01-2026  [FMF]: "Langages d'amour" (Luc 3)
Faly miarahaba ry havana,

manohy ny fandinihana ny Filazantsara araka an'i Lioka indray isika,

tamin'ny nanaovana batisa an'i Jesoa dia nisy feo avy tany an-danitra
nanao hoe: "Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako". Andriamanitra
no maneho ny tenim-pitiavana amin'ny Zanany.

Inona no maha-zavadehibe izao tenin'i Tompo izao ? Mamporisika ny
mpivavaka haneho tenim-pitiavana amin'ny hafa ihany koa ve ny Baiboly.
Ohatra, ny mpivady, ny ray aman-dreny, ny mpianakavin'ny finoana...?
Inona ihany koa no mety ho fiteny na fihetsika maneho fitiavana
fantatrao ?

Dans Luc 3, une voix se fit entendre venant du ciel lors du baptême de
Jésus, disant : "Tu es mon Fils bien-aimé, en toi je me complais".
Dieu par sa parole exprime son amour envers son Fils. Quelle est
l'importance de cette expression divine ? La Bible propose t-elle des
expressions d'amour entre les croyants: chez le couple par exemple,
entre parents et enfants, entre paroissiens...? Quels sont les
différents langages d'amour que vous connaissez ?

Momba antsika ny Tompo

Pasitera,


13-01-2026


06-01-2026 Fiaraha-Mivavaky ny Fiangonana / VTF Talata 06 janoary 2025, 20h00 "Mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana"


Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin'ny
fahalalana tsara an'Andriamanitra sy Jesoa Tompontsika.

Faly miarahaba antsika mpianakavin’ny finoana nahatratra ny taona
vaovao. Ho taom-pahasoavana ho antsika, ka samy hitombo amin’ny
finoana sy ny asa tsara daholo.

Ny vakiteny hakantsika vatsimpanahy :

Hebreo 10 : 23-25 ; 32-39".

" aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy
hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana) 24. ary
aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; 25.
aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa
mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro." 32.
Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin'ny
fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo; 33. indraindray raha natao ho
fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray
koa raha tonga naman'izay azon'izany. 34. Fa sady niara-niaritra
tamin'izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo,
satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady
maharitra*. [*Na: fa ianareo dia manana ny tenanareo ho fananana tsara
lavitra sady maharitra] 35. Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy
valiny lehibe. 36. Fa tokony hanana faharetana ianareo mba hahazoanareo
izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny
sitrapon'Andriamanitra. 37. Fa "rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay
ho avy, fa tsy hitaredretra" 38. Ary "ny oloko marina* dia ho velon'ny
finoana;" Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Habakoka
2:3-4). [*(ny marina)] 39. Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho
amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny
fanahy."

Mba ahatonga isika fiangonana sy ny tetik’asa trano fiangonana ho
tsara orina :

1- Inona ireo  fanamby miandry antsika olon’Andriamanitra ?

2- Ahoana no fomba hanatanterahana izany ?

Ny Fanahy Masina anie hitaridalana antsika sahady.

Momba antsika ny Tompo.

Nadia DELMOTTE


30-12-2025  Faisons le Bilan !
Cette année 2025 s’achève, et il est temps de faire place à l’année 2026.

Un temps s’impose alors : un temps de bilan, de mise au point, de mise au clair peut-être, un temps de remise à zéro de bien des compteurs, certainement.

Si le temps est à la fête, il est aussi un temps précieux pour se souvenir et pour tourner notre regard vers demain.

Faire le bilan, c’est reconnaître ce qui a été accompli, mais aussi discerner ce qui reste à recevoir et à transmettre.

Nous sommes tous invités à vivre ce temps de méditation et de prière, pour réfléchir ensemble à ce que signifie «faire le bilan » dans nos vies de chrétiens et dans la vie de notre Église, la FPMA de Bordeaux.

À très bientôt.

À Dieu seul soit la gloire.

Fanantenana

Voici la lecture :

1 Rois 19, 14-19
« 14. Il répondit: J’ai déployé mon zèle pour l’Éternel, le
Dieu des armées; car les enfants d’Israël ont abandonné ton
alliance, ils ont renversé tes autels, et ils ont tué par l’épée
tes prophètes; je suis resté, moi seul, et ils cherchent à m’ôter
la vie. »
« 15. L’Éternel lui dit: Va, reprends ton chemin par le désert
jusqu’à Damas; et quand tu seras arrivé, tu oindras Hazaël pour roi
de Syrie. »
 « 16. Tu oindras aussi Jéhu, fils de Nimschi, pour roi d’Israël;
et tu oindras Élisée, fils de Schaphath, d’Abel-Mehola, pour
prophète à ta place. »

« 19. Élie partit de là, et il trouva Élisée, fils de Schaphath,
qui labourait. Il y avait devant lui douze paires de bœufs, et il
était avec la douzième. Élie s’approcha de lui, et il jeta sur lui
son manteau. »

2 Rois 2, 8-14
« 8. Alors Élie prit son manteau, le roula, et en frappa les eaux, qui
se partagèrent çà et là, et ils passèrent tous deux à sec.

9. Lorsqu’ils eurent passé, Élie dit à Élisée: Demande ce que tu
veux que je fasse pour toi, avant que je sois enlevé d’avec toi.
Élisée répondit: Qu’il y ait sur moi, je te prie, une double
portion de ton esprit!

10. Élie dit: Tu demandes une chose difficile. Mais si tu me vois
pendant que je serai enlevé d’avec toi, cela t’arrivera ainsi;
sinon, cela n’arrivera pas.

11. Comme ils continuaient à marcher en parlant, voici, un char de feu
et des chevaux de feu les séparèrent l’un de l’autre, et Élie
monta au ciel dans un tourbillon.

12. Élisée regardait et criait: Mon père! Mon père! Char d’Israël
et sa cavalerie! Et il ne le vit plus. Saisissant alors ses vêtements,
il les déchira en deux morceaux,

13. et il releva le manteau qu’Élie avait laissé tomber. Puis il
retourna, et s’arrêta au bord du Jourdain;

14. il prit le manteau qu’Élie avait laissé tomber, et il en frappa
les eaux, et dit: Où est l’Éternel, le Dieu d’Élie? Lui aussi, il
frappa les eaux, qui se partagèrent çà et là, et Élisée passa. »

23-12-2025

16-12-2025 [CDF]: "Responsabilités parentales" (Luc 2.22-52)
Faly miarahaba anao ao amin'i Tompo izahay ry havana,

ho aminareo anie ny Fiadanan'i Tompo Jesoa,

manohy ny fandinihana ny Filazantsara araka an'i Lioka isika anio alina.
Manatanteraka ny adidiny amin'ny maha ray aman-dreny azy i Josefa sy i
Maria amin'i Jesoa zaza.

Inona avy ireo adidy tsy maintsy nataon'ny ray aman-dreny jiosy tamin'ny
zanany hitantsika eto ? Inona avy  no olana nosedrainy tamin'izany ? Ary
tamin'ny fomba ahoana no namahany ny olana ?

Joseph et Marie effectuent leur devoir de parents envers leur enfant
Jésus. Quelles sont les différentes responsabilités qui attendent
tout parent juif sur leurs enfants d'après ce qui nous est présenté
ici ? Quelles sont les difficultés qu'ils peuvent rencontrer en chemin
? Comment s'en sont-ils sortis ?

Momba antsika ny Tompo,

Ny Mpitandrina,

09-12-2025 CDP ny Hery sy Faherezana Josoa 1, 9

Miarahaba indray amin'ny anaran'i Tompo ô,
Indro alefako aminareo n'y thème nosafidiko ho an'ny CDP talata 9 ho
avy izao: Josoa 1, 9 " Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza s'y
mahatanjaha ;aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Tompo
Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao." ( Josué 1, 9 )  
Ireto n'y fanontaniana :
1) ahoana no hahazoana n'y Hery sy Faherezana lazain' Andriamanitra
indrindra ao anatin'ny fahasarotana? ( Comment avoir la force et le
courage dont Dieu parle dans des circonstances difficiles ? )  
2) ahoana no fahazoantsika ny hevitry ny teny hoe" Faherezana "? (
Comment peut-on comprendre le mot" courage "? )  
3)ahoana no Mety ananantsika izany? ( Comment peut-on l'avoir ? )  
Vakio: Josoa 1, 1-9. ( Lire: Josué 1, 1-9 ).
Fiadanana.  
Lantosoa Ramandiamanana. 


02-12-2025 Ezra 1:1- 11.
Finaritra,
Ho amintsika rehetra anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin'Andriamanitra Ray  sy Jesoa Kristy Tompontsika.
 Ny soratra Masina izay hifampizarantsika sy hifampaherezantsika dia
izay hita ao amin'ny
Ezra 1:1- 11.
ho fiomanana amin'izany dia manasa antsika hamaky izany mialoha.

ho tahian'ny Tompo hatrany.
Mirary soa
Nirina

25-11-2025 [FLH]: "Un Dieu souverain qui révèle les choses cachées"
Faly miarahaba ry havana,

ny fotoam-bavaka hiarahantsika anio alina dia manomana ny fampianarana
nasionaly izay hiarahana amin'ny Fpma manontolo rahampitso alarobia.

L'ESPÉRANCE D'UN ACCOMPAGNEMENT DIVIN FAVORISE LE DON DE SOI

Lecture: Daniel 2

« Un Dieu souverain qui révèle les choses cachées »

Verset 28: _« Cependant, il y a dans le ciel un Dieu qui dévoile les
secrets et qui a fait connaître au roi Nebuchodonosor ce qui arrivera
dans l'avenir. Voici ton rêve et les visions que tu as eues sur ton
lit. »_

Questions à préparer :

     * Quel est le message principal que Dieu veut communiquer à travers
le rêve de Nabuchodonosor ?
     * Pourquoi les sages de Babylone sont-ils incapables de révéler le
rêve, alors que Daniel, lui, en reçoit la révélation ?
     * Comment Daniel réagit-il face à la crise, et qu'est-ce que cela
nous apprend sur la foi et la prière en situation de danger ?
     * Que représentent les différents matériaux de la statue, et quel
contraste établit le texte entre les royaumes humains et le Royaume de
Dieu ?
     * Quelle transformation ce chapitre opère-t-il dans le cœur et la
vision du roi Nabuchodonosor ?

Mahereza daholo fa momba antsika ny Tompo,

Ny Mpitandrina,

(Daniel 2)

18-11-2025 [CDF]: "Gloria in excelsis Déo" (Luc 2.1-21)
Faly miarahaba anao izahay ry hava-malala ao amin'i Tompo,

Ny Filazantsara araka an'i Lioka no dinihantsika anio alina. Mitantara
ny vanim-potoana sy ny tranga niseho nandritra ny fahaterahan'i Jesoa
izy ao amin'ny bokiny.

Hitantsika eo amin'ny andininy faha-14 ny hira litorjika fanaontsika
mandritra ny fanompoam-pivavahana: "Glória in excélsis Déo. Et in
térra pax homínibus bónæ voluntátis" (teny latina)

Nahoana ny Fiangonana no mihira an'izany ao amin'ny litorjiany ? ary
aiza ho aiza ao amin'ny fanompoam-pivavahana no hihiràna azy ? Moa ve
ao am-piangonana ihany no ankalazantsika an'Andriamanitra ? Inona no
antony fankalazan'ny mino Azy ?

Dans Luc 2.14, nous remarquons le chant des anges connu durant notre
liturgie: "Gloria", lors de la naissance de Jésus. Pourquoi
l'intègre-t-on dans notre culte ? À quel moment de la liturgie le
chanterions-nous ? Serait-ce seulement à l'église qu'on rend gloire à
Dieu ? Quelle est la raison de notre louange et adoration à Dieu ?

Mahereza daholo àry ry havana fa momba antsika ny Tompo,

Ny Mpitandrina,

11-11-2025 [CDF]: "La consécration avant le service" (Luc 1.57-80)
Faly miarahaba anao ao amin'i Tompo izahay ry havana,

manohy ny fandinihana ny Filazantsara araka an'i Lioka indray isika anio
alina. Taorian'ny fankalazana an'Andriamanitra nataon'i Maria dia
nipetraka tao amin'i Elizabeta telo volana izy vao nody tany an-tranony.


Rehefa teraka zazalahy i Elizabeta sy i Zakaria dia nataony hoe Jaona no
anarany fa tsy nitondra ny anaran-drainy izy. Misy zavatra anankiroa no
manaitra antsika amin'izany momba an'i Jaona: ny anarany manokana sy ny
fanokanany tena tany an'efitra mialohan'ny hanatanterahany ny
asam-panompoany an'Andriamanitra.

Nahoana no tsy maintsy manokan-tena ho an'Andriamanitra izay te hanompo
Azy ? Inona avy ireo fomba fanaon'ny Fiangonana ho fanomanana sy
fanokanana an'izay rehetra olom-boafidy ao aminy ? (Pourquoi ceux qui
aspirent à servir le Seigneur doivent-ils se consacrer ? Qu'est-ce que
l'Église met en place en son sein pour former et consacrer ses élus
avant qu'ils ne prennent leurs services ?).

Misaotra indrindra amin'ny fandraisan'anjara hataonareo ary dia momba
anareo ny Tompo,

Ny Mpitandrina,

04-11-2025  CDP - Vina Trano Fiangonana  
Miarahaba antsika mpianakavin'ny finoana amin'ny fiadanan'ny Tompo.


Ny andalan-tSoratra Masina hita ao amin'ny  bokin'ny Mpaminany Hagay 1
:  7 - 8 no ho zaraina,  hifanakalozana sy hifampaherezana ao anatin'ny
Vina Trano Fiangonana.

Manasa antsika hamaky ny  Hagay 1 : 1 - 15  farany mba ahafahantsika
mahalala ny tantara ka hisintonantsika lesona samihafa miaraka.

Ho amintsika lalandava ny fitahian'ny Tompo

Tiana Rabetokotany - Rajoelisoa

28-10-2025 [CDF]: "La puissance de la louange" (Luc 1.46-56)

Faly miarahaba ry havana,

Manohy ny fandinihana ny Filazantsara araka an'i Lioka hatrany isika
anio alina,

Nanao vavaka fiderana ho an'Andriamanitra i Maria rehefa avy nahita sy
nandre ny filazana nataon'i Elizabeta taminy izy.
Nantsoina hoe "Magnificat" ity vavaka ity tamin'ny taonjato faha-14,
izay teny latina midika hoe: "manome voninahitra an'Andriamanitra izy".
Inona no maha zavadehibe ny vavaka fiderana ataon'ny mino ? Moa ve ny
fivavahana dia efa fihetsika ampy hahazoana fanavotana marina manoloana
ny zava-tsarotra sy ireo fangejana samihafa manjo ny firenena ?

Marie a fait une prière de louange à Dieu après avoir vu et entendu
la parole d'Élisabeth en sa faveur.
On a appelé cette prière le "Magnificat" au XIVè siècle, terme latin
qui signifie "il ou elle glorifie Dieu". Quelle est l'importance de la
louange faite par le croyant ? La prière serait-elle une action
suffisante pour obtenir une délivrance face aux difficultés et aux
différentes répressions endurées par le peuple ?

Mahereza daholo fa momba antsika ny Tompo,

Ny Mpitandrina,


21-10-2025 [CDF]: "La souveraineté de Dieu sur l'histoire et la fidélité des croyants face aux pressions culturelles, religieuses et politiques" (Daniel 1.1-21)
Faly miarahaba ry havana,

ny fandinihana ny Tenin'Andriamanitra hataontsika talata alina izao dia
ho fanomanana ny fandinihana ny Baiboly hiarahana amin'ny Fpma nasionaly
isak'alarobia.

Indro àry ny taridàlana ho amin'izany:

« Daniel a choisi de ne pas se salir avec la nourriture du roi, et Dieu
lui a donné la faveur du chef du personnel » (D'après Daniel 1:8-9)

Questions à méditer et à préparer avant la séance:

1 - Inona no niteraka ny fahababoan'ny Zanak'Israely tany Babilona,
inona avy ireo fahadisoana nataony ? (Pourquoi le peuple de Juda a-t-il
été emmené captif à Babylone, quelles étaient leurs fautes aux yeux
de Dieu ?) [Lire Jérémie 22: 13 - 19 ; 2 Chroniques 36 : 5 - 7]

2 - Raha novain'i Nebokadnezara ny Anaran'i Daniela sy i Hanania ary i
Misaela sy i Azaria, inona no mety ho antony tsy nandavany izany ?
(Pourquoi le roi Nabucodonosor a voulu changer les noms de Daniel et ses
3 amis, pourquoi ont-ils accepté ce changement ?)

3 - Fa inona kosa no mety ho antony nandraisan'i Daniela
fanapahan-kevitra hentitra tsy handoto tena amin'izay sakafon'ny
mpanjaka na ny divay fisotrony ? (Pourquoi ils ont refusé de manger la
nourriture et de boire le vin du roi ?)

Mahereza daholo fa momba antsika ny Tompo,

Ny Mpitandrina,

14-10-2025 Ny « ADDICTION »
Bryand RAKOTONDRAZAKA


14-10-2025 [CDF]: "La puissance de la louange" (Luc 1.46-56)
Fa
ly miarahaba ry havana,

Manohy ny fandinihana ny Filazantsara araka an'i Lioka hatrany isika
anio alina,

Nanao vavaka fiderana ho an'Andriamanitra i Maria rehefa avy nahita sy
nandre ny filazana nataon'i Elizabeta taminy izy.
Nantsoina hoe "Magnificat" ity vavaka ity tamin'ny taonjato faha-14,
izay teny latina midika hoe: "manome voninahitra an'Andriamanitra izy".
Inona no maha zavadehibe ny vavaka fiderana ataon'ny mino ? Moa ve ny
fivavahana dia efa fihetsika ampy hahazoana fanavotana marina manoloana
ny zava-tsarotra sy ireo fangejana samihafa manjo ny firenena ?

Marie a fait une prière de louange à Dieu après avoir vu et entendu
la parole d'Élisabeth en sa faveur.
On a appelé cette prière le "Magnificat" au XIVè siècle, terme latin
qui signifie "il ou elle glorifie Dieu". Quelle est l'importance de la
louange faite par le croyant ? La prière serait-elle une action
suffisante pour obtenir une délivrance face aux difficultés et aux
différentes répressions endurées par le peuple ?

Mahereza daholo fa momba antsika ny Tompo,

Ny Mpitandrina,


07-10-2025 FIFAMPIZARANA CDP - TRANO FIANGONANA NY 07 OKTOBRA 2025
Faly miarahaba anareo rehetra  amin' ny anaran' ny Tompo.
  Tonga eto amin' ity fotoana hifampizarantsika ny Teny Soratra Masina
entina hirosoana  amin' ny fitadiavana na ny  fanorenana ny  Trano
Fiangonana ity indray isika.

 Ny Efesiana 2 : 8 - 10 no ho zaraina aminareo amin' izany saingy
miangavy ny rehetra aho hamaky manontolo  ny teksta fa ilaintsika izany.


 Dia mirary ny fahatongavanareo maro sy ny fandraisana anjara mavitrika
amin' izany.

 Rakotomalala Fara.

DIEM : Efesiana 2 : 8 - 10
8Eny, fahasoavan’Andriamanitra no namonjena anareo, tamin’ny alalan’ny finoana! Ary tsy avy aminareo izany famonjena izany, fa fanomezan’Andriamanitra; 9tsy vokatry ny ezaka vita, fandrao hisy hirehareha. 10Fa asan’Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin’i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman’Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin’ny fiainantsika.

Baiboly protestanta : Efesiana 2 : 8 – 10
8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;

9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.

10 Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.

EFESIANA TOKO FAHA 2 henoina eto



04-10-2025 Jubilé 65 de la FPMA - Présentation du Pasteur Christian KRIEGER, samedi 04 Octobre 2025 à 10h00-11h30
Dans le cadre des célébrations du 65e jubilé de la FPMA, nous
aurons

l’honneur d’accueillir le Président de la Fédération Protestante
de France, le

Pasteur Christian KRIEGER, qui interviendra à travers une présentation
spéciale

autour de cet événement marquant.

À cette occasion, tous les fidèles de la FPMA, sans exception, sont

cordialement invités à participer à cette rencontre.

 Modalités de participation :

La présentation se déroulera en ligne via Zoom, accessible à
l’adresse suivante :

 https://zoom.fpma.church

ID : 864 6926 8240

Code secret: 433005

 Date : Samedi 4 octobre 2025

 Ouverture de la salle Zoom : à partir de 9h45 (une salle
d’attente sera active pour

ceux qui se connectent en avance).

 Début de la présentation : 10h00

 Fin prévue : 11h30

A Dieu seul soit la gloire.

Paris, 18 Septembre 2025.

Au nom du Bureau Central de la FPMA.

30-09-2025 [CDF]: "Promesses dans la Bible" (Luc 1.26-45)
Faly miarahaba ry havana,

Manohy ny fandinihana ny Filazantsara araka an'i Lioka isika anio alina,

Mamangy an'i Maria virijiny ny anjely Gabriela ka mampanantena azy fa hiteraka zazalahy izy.
Mitovy ve ny "fampanantenana sy ny fitahiana" ?
Mirongatra ny "teolojian'ny fanambinana" eo amin'ny tontolon'ny Fiangonana ka maro ny kristiana no voafitaka amin'izany . Ahoana no famantarana azy ireny ?

La suite de notre lecture de l'Évangile selon Luc nous informe sur la visite de l'ange Gabriel à la vierge Marie qui lui promet d'enfanter.
"Promesse et bénédiction" ont-elles le même sens ?
La "théologie de la prospérité" gagne du terrain dans le monde de l'Église et bon nombres de chrétiens sont induits en erreur. Comment les reconnaître ?

Mahereza daholo fa momba antsika ny Tompo,
Ny Mpitandrina,


27-09-2025 FIOFANANA LASIM-PIANGONANA 27-28 sept 2025 Les Eglisottes et Chalaures

Miarahaba antsika ao amin'Ny Tompo.
Indro, ho antsika izay tsy afaka nanatrika ny lasim-piangona ny 27 sept 2025 teo sy ho an'izay nanatrika fa tsy dia nahita laotra ny "diapo" fa lavitra ary na dia hoan'ireo izay afaka naka sary hiany ny rindrina nampisehoana ny velaran-kevitra misy ny votoatn'ny fampiofanana antsika FPMA BORDEAUX notarihan'i Pasteur RADO (FPMA LA REUNION) mifantoka @ ny VINA hananganantsika ny "VONDROM-PARITRA", indro ny rohy misy ny pejy mampivelatra ireo fotokevitra tanjona sy hianteheran'ny VINA VONDROM-PARITRA :
http://mizara.fr/fpmabx/Lasim-piangonana-Bordeaux.pdf

Mahereza tompoko sy mirary ny soa sy ny tsara!
Ny Tomo hitantana.


23-09-2025 [FLH]: "LA JOIE EN CHRIST" (Philippiens 4)
Faly miarahaba anao izahay ry havana,

Ny fandinihana lohahevitra (FLH) anio alina dia iompana amin'ny
fandinihana ny episitily ho an'ny Filipiana. Ho fanomanantsika
Fiangonana eto Bordeaux ny fampianarana nasionaly rahampitso alarobia
izay sahanin'ny Departemantan'ny Fampianarana izany (tarihan'ny VFL).

Misaotra an'i Tompo isika fa mandalo eto Bordeaux i Pasteur Radoniaina
mivady avy ao La Réunion. Izy no hitarika antsika amin'ny fampianarana
izay hataony.

Philippiens 4  

LA JOIE PÉRENNISE LE DON DE SOI  

Canevas de questions :

     * Origine de la joie et de ses bienfaits pour le chrétien et
l'Église ? (vs 1-9)
     * Comment appliquer la joie et le contentement quand le chrétien ou
l'Église sont dans le besoin ? (vs 10-23)
     * Qu'est-ce qu'on pourrait retenir et mettre en pratique (individuelle
et en communauté) par rapport au projet de l'Église et de la FPMA dans
l'ensemble sur « le don de soi » ?

Momba antsika ny Tompo,

Ny Mpitandrina,

16-09-2025 [CDF]: "Conséquence de l'incrédulité" (Luc 1.1-25)
Faly miarahaba ry havana,

ny Filazantsara araka an'i Lioka no boky hodinihintsika manaraka
mandritra ny CDF (cellule de prière familiale).

Niseho tamin'i Zakaria mpitondra fivavahana eto ny anjely raha nanao ny
asa tao amin'ny tempoly izy. Nambarany taminy fa hiteraka zazalahy ny
vadiny na dia efa antitra aza. Nisalasala i Zakaria ny amin'ny
fahatanterahan'izany teny izany noho ny fahanterany ihany koa. Moana izy
vokatr'izany mandra-piteraky ny vadiny.
Nosazian'Andriamanitra ve izany i Zakaria ?
Nahoana no tsy fahafahana miteny no nanjo azy fa tsy zavatra hafa raha
izany ?
Inona ihany koa no mety ho vokatry ny tsi-finoana ho an'ny
mpanompon'Andriamanitra ?

Nous étudions l'évangile selon Luc au cours de notre CDF suivante.
Dans cette partie, un ange s'est apparu à Zacharie lors de son service
au temple. L'envoyé de Dieu lui a révélé que son épouse va enfanter
malgré son âge avancé. Zacharie a douté de l'accomplissement de
cette promesse à cause de sa vieillesse aussi. Par conséquent, il est
devenu muet jusqu'à l'accouchement de sa femme.
Dieu a-t-il donc puni Zacharie ?
Dans ce cas, pourquoi est-ce le non usage de la parole qui lui est
arrivé et non d'autres handicaps ?
Qu'est-ce qui pourrait aussi être la conséquence de l'incrédulité
pour le(s) serviteur(s) de Dieu ?

Mahereza fa momba antsika ny Tompo

Ny Mpitandrina,



++++++++++

ALAINA ETO NY TAHIRY









++++++++++++++++++

TAHIRY :

++++++

 15-10-2024 hatramin’ny 09-09-2025 - CdP - CdF-FLH

Ny FILAZANTSARAN’i
MATIO 15-10-2024 – 09-09-2025

( ALAINA ETO )

++++

13-09-202 hatramin’ny 08-10-2024 - CdP - FLH

Ny FILAZANTSARAN’i
MATIO 13-09-2023 – 08-10-2024

( ALAINA ETO )



++++

01-03-2022 hatramin’ny 13-09-2023 CdPF - CdP - FLH

Ny FILAZANTSARAN’i
MATIO 01-03-22 - 13-09-2023

( ALAINA ETO )

22-06-2021 hatramin’ny 22-02-2022 CdPF - CdP - FLH

Ny epistily ho an ’ny GALATIANA

(ALAINA ETO NY TAHIRY)

( Eto no azo iheinoana ny toko sy andininy @ ny EPISTILY ho an ‘ny GALATIANA )



( Eto dia azo hamakina ny toko sy andininy @ Epistily ho an ‘ny GALATIANA )

+++++++++++++++++++++++++++++++++++

15-12-2020 hatramin’ny 22-06-2021 CdPF - CdP - FLH

Ny epistily nosoratan'i Jakoba

(ALAINA ETO NY TAHIRY)

( Eto no azo hiainoana ny toko sy andininy @ ny EPISTILY nosoratan'i JAKOBA )



( Eto dia azo hamakina ny toko sy andininy @ Epistily nosoratan'i JAKOBA)

+++++++++++++++++++++++++++++++++++



24-03-2020 hatramin’ny 01-12-2020 FILAZANTSARA araka i MARKA

 [CDF]: "Oser vendre ce qu'on possède" (Matthieu 19.13-30)

http://mizara.fr/fpmabx/lives_bible.html