Projet en langue malagasy

Vina fampiratiana sy famelabelarana na fampisehoana amin'ny teny malagasy

. Ny ankizy dia miaraka tsiroaroa
Ny tarika ankizy roa dia hisafidy lohahevitra iray avy amin'ireo izay voatanisa etsy ambany mba hanaovany fikarohana kely mba ho hampitaina amin'ny faran'ny taona amin'ny alalana afisy sy famelabelarana fohy maharitra 10 minitra na amin'ny alalana fampisehoana tsotra amin'ny teny malagasy. Azo atao tsara ary ampirisihana tokoa ny manao horonam-peo na horonan-tsary ny famelabelarana na ny fampisehoana.

Rehefa hisafidy ny lohahevitra ny tarika dia maka hevitra amin'ny ireo mpampianatra teny malagasy sy koa amin'ny ray aman-dreninin'izy ireo.

Mba tsy ho maro laotra ny tarika mivangogo amin'ny lohahevitra iray dia misafidy lohahevitra roa ny tarika dia ny mpampianatra teny malagasy no manondro izay lohahevitra azon'ny tarika ho trandrahana.

Mba hanatanterahan' ny tarika ny fikarohany dia afaka miara-miasa amin'ny mpampianatra teny malagasy iray atao hoe mpamatsy izy ary io mpamatsy io dia afaka manoro azy olona ao amin'ny fiangonana izay ho havanana kokoa hanoro na hitari-dalana azy ireo amin'ny izay fikarohana ataony amin'ny lohahevitra nofidiny.

Ohatra lohahevitra : jereo ato ny fampidirana an'ireo lohahevitra
  1. - . Ny nahatongavan'ny kristianisma tany Madagasikara sy ny fivelarany
  2. - Ny FPMA
  3. - Ny Baiboly malagasy
  4. - Rasalama maritiora
  5. - Ny maritiora malagasy
  6. -Rainandriamampandry
  7. -Ny Avana Ramanantoanina
  8. - Ny Kabary
  9. - Ny haisoratra malagasy
  10. - Ny Ohabolana malagasy
  11. - Ny Angano malagasy
  12. - Faritra fitsangatsangana any Madagascar,
  13. - Asa Fifanampiana any Madagascar
  14. - Ny zavaboary tsy misy afa tsy any Madagasikara
  15. - Ny Fanatajahan-tena any Madagasikara
  16. - Ny Lalao Fanorona
  17. - Ny Sakafo gasy

jereo ato ny fampidirana an'ireo lohahevitra



Ny Tompo anie hitantana.