Projet en langue malagasy Voir ce texte en français

Vina fampiratiana sy famelabelarana na fampisehoana amin'ny teny malagasy

. Amin'ity taona 2018 ity dia miaraka amin'ny Ray aman-dReniny ny ankizy nefa dia azony atao koa ny miaraka amin'ankizy hafa iray. Na ankizy miaraka amin'ny Ray aman-dReniny na ankizy miaraka amin'ankizy iray hafa dia antsointsika hoe "tarika"
Ny tarika dia hisafidy lohahevitra iray avy amin'ireo izay voatanisa etsy ambany mba hanaovany fikarohana kely mba ho hampitaina amin'ny faran'ny taona amin'ny alalana afisy sy famelabelarana fohy maharitra 10 minitra na amin'ny alalana fampisehoana tsotra amin'ny teny malagasy. Azo atao tsara ary ampirisihana tokoa ny manao horonam-peo na horonan-tsary ny famelabelarana na ny fampisehoana.

Rehefa hisafidy ny lohahevitra ny tarika dia maka hevitra amin'ny ireo mpampianatra teny malagasy sy koa amin'ny ray aman-dreninin'izy ireo.

Mba tsy ho maro laotra ny tarika mivangogo amin'ny lohahevitra iray dia misafidy lohahevitra roa ny tarika dia ny mpampianatra teny malagasy no manondro izay lohahevitra azon'ny tarika ho trandrahana.

Mba hanatanterahan' ny tarika ny fikarohany dia afaka miara-miasa amin'ny mpampianatra teny malagasy iray atao hoe mpamatsy izy ary io mpamatsy io dia afaka manoro azy olona ao amin'ny fiangonana izay ho havanana kokoa hanoro na hitari-dalana azy ireo amin'ny izay fikarohana ataony amin'ny lohahevitra nofidiny.

Azonao atao koa no manome sosokevitra lohahevitra azo velabelarina : rehefa mi-KLIKY eto

Ohatra lohahevitra : jereo ato ny fampidirana an'ireo lohahevitra
  1. - . Ny nahatongavan'ny kristianisma tany Madagasikara sy ny fivelarany
  2. - Ny FPMA (Jona 2017)
  3. - Ny Baiboly malagasy
  4. - Rasalama maritiora
  5. - Ny maritiora malagasy
  6. -Rainandriamampandry
  7. -Ny Avana Ramanantoanina
  8. - Ny Kabary
  9. - Ny haisoratra malagasy
  10. - Ny Ohabolana malagasy
  11. - Ny Angano malagasy (Jona 2017)
  12. - Faritra fitsangatsangana any Madagascar, (Jona 2017)
  13. - Asa Fifanampiana any Madagascar (Ralantomanana Mirindra - Rakotoarisoa Henintsoa)
  14. - Ny zavaboary tsy misy afa tsy any Madagasikara(Jona 2017)
  15. - Ny Fanatajahan-tena any Madagasikara (Jona 2017)
  16. - Ny Lalao Fanorona
  17. - Ny Sakafo gasy (Jona 2017)
  18. - ny fambolena sy ny fiompiana (fivoarany)
  19. - ny ezaka atao hiarovana ny zavaboahary
  20. - ny fivoaran\'ny demografia any Madagasikara
  21. - ny fahasalaman\'ny vahoaka malagasy
    ny dokotera
    ny fanafody
  22. - inona no kilalao tena malagasy
    ny fihavian\'ny kilalao malagasy
  23. - Ny zavamaneno malagasy (Andrianandrasana Harifidy-Ralantomanana Mirado - Ravelomanantsoa Arthur)

jereo ato ny fampidirana an'ireo lohahevitra



Ny Tompo anie hitantana.